Vaovao avy ety Faravohitra / Antaninarenina

Nampidirin'i jeanfreddy | 15 Mar, 2009

vaovao farany alatsinainy hariva: enga anie ka tsy ny banky central no ho vakian'ireo tank marobe.

ety Faravohitra aho io manoratra io. Tazana avy ety fa misy olona mitam-basy maro ao An-taninarenina. Vao minitra vitsivitsy teo dia nisy zavatra nipoaka mafy be : toa feona tafondro, na koa angamba feona tank mitifitra. Ny ahiahianay dia ny hoe : sao mba hoteren'ny mpandroba hosokafana ary ny banque centrale! Ngamba dia loza!Enga anie ka tsy ho izany!

Miala tsiny raha tsy mazava tsara ny fitantarako satria dia sarotra amiko ny ho eny Antaninarenina. heno hatrety Faravohitra tsinona ny feo-basy mipoapoaka.

 nosotako omaly alahady :vaovao avy eny Iavoloha  

Ho fanampin'ny soratra nataon'ny anabaviko teo, dia ity vaovao avy eny iavoloha ity no anapiako azy.

Tena raharaha tokoa satria dia tapaka ankehitriny ny herinaratra manodidina an'Iavoloha rehetra. Ny antso an-taroby koa dia manahirana be androany : na zain, na orange, na fixe. Izany no antony tsy ahenoana vaovao mihitsy avy ao Iavoloha. Noheverinay fa Andekaleka no simba satria misy olona mikasa hanapoaka azy amin'ny dinamita. hay mbola tsy izany fa dia ny ligne mankaty iavoloha no nisy nanapaka.

Betsaka be ny olona tao iavoloha : amanarivorivony. Mety eoeo amin'ny 6.000 eo angamba raha ny fijeriko azy tamin'ny omaly tolakandro.

Tsy misy artista ho jerena, fa dia ny fitiava-tanindrazana no nanosika ny fahatongavan'ny olona.

Alina moa izao ny andro ka betsaka ny mody maka vatsy sy mandalo kely any an-tranony avy. Misy ny tena avy lavitra nefa dia tonga any izy mianakavy. Ny isaorana ny filoha dia ny fitsimbinany anay hatrany : dia ny fiantohany ny sakafokelinay, ny fiantohany tanty afaka atoritoriana.

izay angamba fa dia handeha aho. Ety Ampasampito izaho io no manoratra aminao, ary mbola hifoha maraina ho eny iavoloha rahampitso.

ny hafatro farany ho antsika, izay zava-dehibe dia ity : hitako ho kivikivy izany daholo ny olona to amin'ny internet, ary betsaka ireo milaza fa efa resy ravalomanana. Nefa dia mbola betsaka ny fanantenana. betsaka be ireo sahy mijoro hanohana ny filoha. Koa aza manaiky kivian'ireo tsaho isankarazany. Ny filazam-baovaon'ny ara-dalàna moa dia tsy tomombana intsony : tena teti-dratsy niniana natao io. Ny eto amin'ny internet no tsy haiko.