MOA VE FANTATRAREO RY VAHOAKA FA ...

Nampidirin'i jeanfreddy | 3 Jol, 2011

Par devoir de mémoire, je copie ci-dessous une lettre du Colonel Charles Andrianasoavina. D'abord, c'ést un officier malgache ayant contribué au coup d'Etat fait par Andry Rajoelina.Ci-contre, vous avez sa photo, en train de maltraiter le premier ministre designé par le président Marc Ravalomanana, ainsii que ses photos lors de nombreux évènements :

alt
 alt

 

alt

alt

alt

alt

alt

alt

alt


Mais étant mécontent de la façon dont Andry rajoelina dirige, le colonel Charles Andrianasoavina s'est rallié aux légalistes. Et suite à la décision de militaires légalistes de vouloir prendre le pouvoir en novembre 2010, pour sortir le pays de la crise et mettre fin aux crimes du régime putschiste, le colonel Charles a été emprisonné.Ainsi, tout en étant en prison, il avoue actuellement être complice avec Andry Rajoelina pour le Coup d'Etat.

Ainsi, tout en étant en prison, à Tsiafahy, volà ce qu'a écrit le Colonel Chaarles Andrianasoavina Pour le télécharger ce document original, vous pouvez 

- soit cliquer ici : Ampamoaka-Goavana-vaovao-nataoni-Kol-Charles-Andrianasoavina-1.pdf

- soit  aller sur la page http://mydago.com et faire le téléchargement dessus

Si vous avez du mal à télécharger ou à lire ce document pdf, je l'ai re-écrit ci-bas : 

MOA VE FANTATRAREO RY VAHOAKA FA ...

1- Ny alin'ny alahady 08 martsa 2009 tao amin'ny CAPSAT dia naniraka ahy Andry Rajoelina hisambotra sy hamono ireo Israëlien mibaiko miaraka tamin'ireo Sud-africain fa omena (250.000.000 fmg) deux cents cinuante millions de francs par têtes aho raha mahatratra ireo.

2- Ny 11 mars 2009 no nakako an'i Andry Rajoelina rehefa avy nitsoaka tany amin'ny Ambassade de France ka tao amin'ny Episcopat Antaninarenina no fotoana.

3-Ny 14 Mars 2009 ; niara-nidinina ny tenako, Andry Rajoelina, Andriamanjato Ny Hasina fa hotapahina ny jiro mankany Iavoloha miaraka amin'ny rano ; atsangana ihany koa ny barrage tsy ahafahan'ny fiara mivezivezy ho fanafihana an'Iavoloha ; Tany Ambatobe no toerana nivoriana tamin'io.

4-Ny 17 Mars 2009 tamin'ny fotoana namerahan-dRavalomanana Marc démision ka nanolorany ny fahefana ny Directoire Militaire dia : Nolaviko io fahefana nomena ny Directoire io ary norahonako ny Directore militaire ka nasaiko nafindra an-keriny ho an'i Andry Rajoelina ny fahefana.Tamin'io fotoana io, rehefa nentinay nankany amin'ny CAPSAT ny Pasteur Lala Rasendrahasina, ny Amiral Hyppolite ary Généralde division Razafindralambo Rivohanitra dia toy izao ny zavatra niseho.

a) nilaza tamin'ireo membre Directoire Militaire ny tenako hoe tsy azonareo tanana ny fahefana ka tsy maintsy passer-nareo io fahefana io.

b) Tonga dia soraty letsy Charles izay tianao omena ny fahefana na ny anaran'ialahy aza dia soraty raha izay no tianao.

c) Niantso ahy sy Commandant Lylyson i Andry Rajoelina hoe efa eto amiko Ratsirahonana Norbert lala hana ny Rédaction juridique fa andraso kely fa ho communiquer-ko aminareo eo rehefa avy eo.

d) Tsy nahandry aho fa nanao rédaction ihany ary na ny stylo nanoratako io taratasy io aza dia tamina journaliste iray izay tamin'io fotoana io.

e) vita ny rédaction-ko ary nampandikaiko a'n'i Général Rabarisoa ranto ny voasoratra, nefa tsy navelan'i Andry Rajoelina novakiana aloha fa miandry izay nataon-dRatsirahonana.

f) Rehefa tonga Ratsirahonana, Lt-col Fidimalala, Mme Annick Rajaona vao natao ny famakiana ny famindram-pahefana mankany amin'i Andry Rajoelina, tao amin'ny CEMESS Soanierana.

5-Ny 17 Mars 2009 ihany, namory officiers maromaro izay nikomy tao amin'ny CAPSAT ny Amiral Hyppolite, ka isan'izany ny Général Noël RAKOTONANDRASANA, Général NDRIANARIJAONA André sy ny namany fa hoe : horaisintsika ry zalahy ny fahefana fa saingy herintaona ihany no itondrantsika azy.

6- Ny fitsinjarana ny varin'Atoa Ravalomanana tao amin'ny Port Toamasina dia tsy iza no tompon'andraikitra fa Atoa Andry izay fianakaviana akaiky an'Atoa Andry Rajoelina ihany (miaraka amin'ny farine sy menaka).

7- Mme Voahirana, tsy iza fa anabavin'Atoa Andry Rajoelina no mpanndrana bois de rose raha toa ka voasakasakana ny fahazoan'ny sasany autorisation hanao izany.

8- i Andry Rajoelina no naniraka ahy sy Lylison hilaza tamin'Atoa Monja Roindefo hoe mialà hianao taorian'ny MAPUTO rehefa tsy sahy ny mpanao politique namany.

9- Mba ahafahantsika manohy ny asa Charles dia tsy maintsy mirotsaka ho fidiana aho.

10- Isaky ny manao intervention amin'ny Média aho dia sakanan'i Andry Rajoelina foana hoe : "Aza miresaka mihitsy ianao hoe Coup d'Etat iny nataontsika iny".

 

Merci de votre lécture.

J.F.

Vaovao avy ety Faravohitra / Antaninarenina

Nampidirin'i jeanfreddy | 15 Mar, 2009

vaovao farany alatsinainy hariva: enga anie ka tsy ny banky central no ho vakian'ireo tank marobe.

ety Faravohitra aho io manoratra io. Tazana avy ety fa misy olona mitam-basy maro ao An-taninarenina. Vao minitra vitsivitsy teo dia nisy zavatra nipoaka mafy be : toa feona tafondro, na koa angamba feona tank mitifitra. Ny ahiahianay dia ny hoe : sao mba hoteren'ny mpandroba hosokafana ary ny banque centrale! Ngamba dia loza!Enga anie ka tsy ho izany!

Miala tsiny raha tsy mazava tsara ny fitantarako satria dia sarotra amiko ny ho eny Antaninarenina. heno hatrety Faravohitra tsinona ny feo-basy mipoapoaka.

 nosotako omaly alahady :vaovao avy eny Iavoloha  

Ho fanampin'ny soratra nataon'ny anabaviko teo, dia ity vaovao avy eny iavoloha ity no anapiako azy.

Tena raharaha tokoa satria dia tapaka ankehitriny ny herinaratra manodidina an'Iavoloha rehetra. Ny antso an-taroby koa dia manahirana be androany : na zain, na orange, na fixe. Izany no antony tsy ahenoana vaovao mihitsy avy ao Iavoloha. Noheverinay fa Andekaleka no simba satria misy olona mikasa hanapoaka azy amin'ny dinamita. hay mbola tsy izany fa dia ny ligne mankaty iavoloha no nisy nanapaka.

Betsaka be ny olona tao iavoloha : amanarivorivony. Mety eoeo amin'ny 6.000 eo angamba raha ny fijeriko azy tamin'ny omaly tolakandro.

Tsy misy artista ho jerena, fa dia ny fitiava-tanindrazana no nanosika ny fahatongavan'ny olona.

Alina moa izao ny andro ka betsaka ny mody maka vatsy sy mandalo kely any an-tranony avy. Misy ny tena avy lavitra nefa dia tonga any izy mianakavy. Ny isaorana ny filoha dia ny fitsimbinany anay hatrany : dia ny fiantohany ny sakafokelinay, ny fiantohany tanty afaka atoritoriana.

izay angamba fa dia handeha aho. Ety Ampasampito izaho io no manoratra aminao, ary mbola hifoha maraina ho eny iavoloha rahampitso.

ny hafatro farany ho antsika, izay zava-dehibe dia ity : hitako ho kivikivy izany daholo ny olona to amin'ny internet, ary betsaka ireo milaza fa efa resy ravalomanana. Nefa dia mbola betsaka ny fanantenana. betsaka be ireo sahy mijoro hanohana ny filoha. Koa aza manaiky kivian'ireo tsaho isankarazany. Ny filazam-baovaon'ny ara-dalàna moa dia tsy tomombana intsony : tena teti-dratsy niniana natao io. Ny eto amin'ny internet no tsy haiko.

Tonga soa Jeanfreddy!

Nampidirin'i jeanfreddy | 15 Mar, 2009
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.